<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Stainer</author>
<lyrics>[V1]
 Manaraka ny hafatrao,
 Tafangona izahay,
 Mba hahatsiarovanay
 Anao, ry Tomponay !

[V2]
 Tsy azo hadinoina
 Ny fahorianao,
 Ny dinitrao izay toy ny ra
 Tsaroanay izao.

[V3]
 Ny hazofijalianao
 Dia tazanay izao
 Ry Zanakondry masina ô !
 Tsaroanay Hianao.

[V4]
 Nijaly mafy Hianao,
 Nisolo voina anay ;
 Raha mbola velona izahay
 Tsaroanay Hianao.

[V5]
 Raha tapitra ny andronay,
 Ka tonga Hianao
 Mba haka ny fanahinay,
 Tsarovinao izahay.</lyrics>
<title>Manaraka ny hafatrao FFPM258</title>
<hymn_number>258</hymn_number>
</song>